Famenona momba an'i MELKY

05/13,2007 | Mozika - Musique

Efa niseho ihany izy ity fa tsy tonga hatramin'ny farany.

Koa ity ary averiko eto.

  

 

Melky : tanteraka ny nofinofiny


11-05-2007 / 14:42
Andrianarison Melky Pamuela Mamimalala. Melky no anarana fiantsoana sy ahafantaran’ny maro azy.

 
Melky eo ampandraisam-peo ao amin'ny
Melky eo ampandraisam-peo ao amin'ny "Eto Studio"
© DTS

Kintana vaovaon’ny mpihira andriambavilanitra malagasy, ary be mpankafy tokoa, indrindra fa ny ankizy sy ny tanora. 19 taona amin’ny 24 mey izao ny tovovavy ary mianatra momba ny fikojakojana ny endrika (Esthétique) ao amin’ny IPAC.

Telo mianadahy izy no iray tampo, roa vavy, iray lahy, ka i Melky no zokiny indrindra. Ny mandehandeha, mamaky boky ary ny milalao “billard” no fialam-boly ankafiziny indrindra. Ny loko manga kosa no tiany ary kotoleta ny sakafo ankafiziny.

Araka ny fitantarany, dia efa nofinofiny hatramin’ny fahakeliny ny ho tonga olo-malaza, ka tanteraka aminy izany ankehitriny. Tsy nieritreritra ny ho tonga mpihira kosa anefa izy na dia tia mihira aza, fa ny ho dokotera no mba am-bentin-teniny isaky ny misy manontany fony kely izy. Teo anivon’ny fianakaviana no nampiroborobo ny talentany satria vao 7 taona monja dia efa nandray anjara nanafana lanonam-pianakaviana toy ny mariazy. Ny hiran’i Hantatiana tamin’izany fotoana izany no nohirainy matetika. Amin’izao, dia ny ho matihanina tanteraka amin’ny zavakanto no faniriany, manampy azy rahateo ny anadahin-dreniny (Ndondolah) sy ny rahavavin-dreniny na cousine-n’ny reniny (Tahiry) sy ny fianakaviany rehetra.

Fy

©Gazetiko


MELKY

05/13,2007 | Ankapobeny


«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 17  Manaraka»